NY Famolavolana NY Mpiambina: Fomba Fiofanana Amin'ny Vavaka Faminaniana Sy Ny Fitondrana Am-Bavaka Matanjaka

Paperback Published on: 15/01/2026
Price: £14.87
UK delivery included
In stock
Print on demand - Usually dispatched within 7-10 days
Make and edit your lists in your account
wordery
has a fantastic rating on
In stock
Print on demand - Usually dispatched within 7-10 days
wordery
has a fantastic rating on

Synopsis

Raha te hamantatra bebe kokoa momba ny fotoana sy ny vanim-potoana ianao dia vakio ity boky ity. Raha mahakasika anao ny tenin'i Jesosy hoe miambena dia mivavaha, dia natokana ho anao ity boky ity!

Manerana ny Soratra Masina dia nanendry ny mpiambiny Andriamanitra mba hiambina sy hiaro an'i Isiraely. Ny andraikitry ny mpiambina tamin'izany dia ny mampitandrina amin'ny loza ho avy, sy miantso ny vahoakan'Andriamanitra hanaraka ny lalan'ny Tompo. Ny asa fanompoan'ny mpiambina dia nanome fampitandremana sy fanantenana. Matetika dia tsy mandray azy tsara ny olona, nefa dia tena zava-dehibe ny hafany sy ny asa fanompoany. Mbola tsy miova izany ankehitriny. Ao amin'Ny Famolavolana ny Mpiambina, i Jennifer Leclaire, izay mpaminany sy
mpahita efa ela nihetezana, dia mampiasa ohatra avy amn'ny Soratra Masina sy avy amin'ny zava-niainany manokana, mba ampisehoana hoe ahoana ny fomba fiasana ao amin'ity asa fanompoana manan-danja ity - hiomanana mialoha hanohitra ny
tetikadin'ny fahavalo sy hanarahana ihany koa ireo drafitra sy ny tanjon'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny Famolavolana ny Mpiambina dia: - Hanome antsipiriany ny momban'ny asan'ny Mpiambina

  • Hanampy anao hamantatra raha antsoina amin'ity asa fanompoana ity ianao
  • Hanolotra ho anao fitsipika momba ny teny fampitandremana izay miaraka amin'ny tenim- panantenana
  • Hanome vavaka azo ampiharina, fanazaran-tena, ary tenim-pahavitriana ho an'ny asa maha-mpiambina Andriamanitra dia mbola manendry ny mpiambiny manerana ny tanàn-dehibe sy ny firenena - ireo izay hanambara ny fanjakany ary hanome fanantenana eo anivon'ny korontana. Antsoina amin'ity asa fanompoana ity ve ianao? Andao àry hiaraka amin'i Jennifer Leclaire ka hianatra miatrika ireo fiovan'ny fotoana sy ny vanim-potoana amin'ny alalan'ny fomba fijerin'ny fanjakan'Andriamanitra. Jennifer dia loholona mpitarika ao amin;ny Awakening House of Prayer ao Fort Lauderdale, Florida, mpanorina ny Ignite Network ary mpanorina ny hetsika ambavaka Awakening Prayer Hubs. Izy dia vehivavy voalohany tonian-dahatsoratra tao amin; ny gazetim-boky Charisma, sady mpanoratra mahomby izay nanoratra boky mihoatra ny 50. Afaka mahita antserasera an'i Jennifer ianao na mandefa email ho azy ao amin'ny [email protected].

Publisher information

  • Publisher: Amazon Digital Services LLC - Kdp
  • ISBN: 9798244096484
  • Number of pages: 262
  • Dimensions: 216 x 140 x 14 mm
  • Languages: English